Fiangonana Anglikana Malagasy eto Paris
St George's Anglican Church
7, rue Auguste-Vacquerie
75116 Paris
Copyright (C) 2009 Anglikana. Tous droits réservés
Antoko Mpihira
Ny sampana antoko mpihira eto amin'ny fiangonana Anglikana eto Paris dia manohy ny fideran'Andrimanitra amin'ny alalan'ny hira sy ny mozika.
Izany fikambanana izany dia ny fitambaran'ny 17 mianadahy izay mijoro ho vavolombelan'ny Kristy amin'ny fanompoana sy ny fanomezam-boninahitra an'Andriamnitra irery ihany.
Mpiandraikitra sy Choirmaster
- Atoa Manantsoa
Mpiandraikitra ny zava-maneno:
- Atoa Rolland Rafiankinana
sy Atoa Harilala Razafindranaivo
Ny sampana
Sekoly Alahady
Mitsinjara roa ny SA ato amin'ny fiangonana Anglikana .
Ny kilasy madinika : 4-9 taona
Ny kilasy 10 taona miakatra.
Mandritry ny fotoam-pivavahana no fampianarana ireo ankizy ireo ary mivoaka mamonjy ny fametrahan-tanana mandritry ny Kominiona masina
Sekoly Alahady
Sacristain
Tily - Scout.
Antoko Mpihira
Tanora Kristiana
Mozika
Mpiandraikitra ny SA
- Rtoa Voahangy Randrianarisolo
- Rtoa Robine Rasoamiafara
Vehivavy Kristianina
Vehivavy Kristianina
Ireo mpikambana ao amin'ny Vehivavy Kristianina no atao hoe : Andriambavilanitry ny Fiangonana Anglikana eto paris izay misahana ny fikarakarana momban'ny sakafo rehetra sy ny fialana hetaheta.
Ny misongadina amin'izany dia ny fandraisan'izy ireo anjara amin'ny fanomamanana ny " Lunch " na ny sakafo atoandro ho entina hanasana ireo mpiangona rehefa vita ny fotoam-pivavahana atoandro miaraka amin'ny renim-piangonana Anglisy.
Tsy diso anjara amin'izany koa anefa ny fialana hetaheta sy ny mofo mamy aorian'ny fiangonana Malagasy izay fotoana entina hiresadresahana sy hifankahitana.
Le site de la Communauté
Anglicane Malgache de Paris
Fotoam-pivavahana - Alahady Fotoam-pifadiana II 4 marsa 2012 - manomboka amin'ny 4 ora tolak'andro