Histoire
Ny finoana anglikana
		<description>Ny fanontaniana dia ny hoe: inona no maha Anglikana ahy ?    Voalohany indrindra angamaba dia ny nandovana ny finoan'ireo ray aman-dreny sy ny razambe tany aloha, ny fanarahana ny finoan'ny vady ( ankehitriny dia tsy ny lahy ihany no mitondra ny finoana ao an-tokantrano, fa maro ireo vehivavy mitarika ireo vadiny ho amin'ny finoana Anglikana )  tao koa nisy ireo  mpianatra tao amin'ny kolejy Anglikana sy ireo mpivahiny  ka voasariky ny finoana anglikana.    Raha fitinina ny toerana misy ny  fiangonana Anglikana na Episkopaly  atao hoe "Ecclesia Anglicana" dia fiangonana tetezana na elanelam-panahy, izany hoe hita taratra ao amin'ny finoana anglikana ny fomba amam-panaon'ny fiangonana Katolika ( universelle ) dia ny mikasika ny fombam-pivavahana, ny fitondram-piangonana misy ny ambaratonga sy ny fomba amam-panaon'ny fiangonana protestanta nentin'ny fanavaozana ( reformation ) dia ny maha zava-dehibe ny Soratra Masina sy ny fiorenan'ny finoana fa Andriamanitra irery ihany no Mpamonjy.</description>
Tantaran'ny fiangonana Anglikana
		<description>Tamin地y taonjato faha XV teo ho eo no nifampiditra ny fahefan地y mpanjaka sy ny an'ny Eveka tany Angletera.    Nanana fahefana lehibe tao amin地y fitondram-panjakana tokoa mantsy ireo Eveka tamin段zany fotoana izany, ary teo an-daniny dia nitsabaka tamin地y fitondrana ny fiangonana koa ny mpanjaka. Ary tsy nitady hisaraka tamin'ny foiben地y Fiangonana tany Roma ny Kristianina tany Angletera raha nipongatra ny Reformasiona tany amin地y firenena maro tandrefana.     Nandritry ny fotoanan地y Reformasiona dia nanohy sy nitazona hatrany izany fanavaozana lehibe izany ny Fiangonana Angletera, ary tamin段zany fotoana izany indrindra no nifanolana i Henri VIII sy ny Papa momban地y fiainan'ny mpanjaka teo amin地y lafin地y fisarahana sy ny fanambadiana , ka niezaka i Henri VIII mba tsy hiankina instony amin地y foiben'ny Katolika  ny fiangonana tany Angletera.  Koa tafasaraka ny roa tonta nandritry ny taona 1529-1534, ary ny taona 1533 no taona nahamarika tanteraka ny fisarahana nisy tamin地y Papa sy ny mpanjaka Henri VIII.    Na dia izany aza anefa dia mbola tsy nisy ny fahasamihafana ny foto-pinoana, fa ny fahefan地y Papa ihany no nolavina.  Edouard VI ( zanany lahy naterany tamin段 Jane Seymour ) izay voasariky ny hevitry Lotera sy Calvin no nandimby an段 Henri VIII, Marie TUDOR no nandimby an棚 Edouard VI, izay nanana ny tantarany koa, satria izy indray no namerina ny Fiangonana Angletera hanaraka ny fomba katolika Romanina, kanjo anefa tsy nahatohitra ny fandrosoan地y reformasiona izy tao anatin地y dimy taona nanjakany ary Elisabeth I ( zanany vavy naterany tamin地i Anne Boleyn : 1558-1603 ) no nandimby an段 Marie Tudor, izay nanangana indrindra ny fiangonana tany angletera hahaleotena sy nanome azy ny endrinka manokana dia ny Fiangonana Anglikana misy ankehitriny.     Tamin地y faran地y taonjato faha XVI sy ny tapany voalohan'ny taonjatao faha XVII, dia teo an-dalam-piorenana ny fiangonana Angletera, ka tsy mbola voafaritra ny tena finoana marina nisy tamin段zany afa tsy ny amin段reo Sakrameta zokiny dia ny :  - Batisa sy ny Kominiona Masina ( Eokaristia )  - Samy nekena ny fanambadiana, na tsy ny fanambadian地y Mpitondra fiangonana.  Vokatr段zany no ilazana matetika fa mitana ny  Via Media na ny  elanelam-panahy ny fiangonan地y Angletera izay nipoiran地y finoana Anglikana.  Ka ny fiekem-pinoana fototra amin地y fiangonana Anglikana dia ny  39 articles  tany Angletera. Ny  Prayer Book kosa dia tany amin段reo firenena nielezany.  Ary ireto manaraka ireto no iombonanan地y Fiangonana Anglikana eran-tany:  - Ny soratra Masina  - Ny Fiekem-pinoana tany Nisea  - Ny Sakrameta roa: Batisa sy ny Eokaristia, izay fanehoana ny fiainan地y fiangonana ao amin棚 Kristy.  - Ny filaharan地y Masina telo: Eveka-Presbytera-Diakona.  Ireo no atao hoe " Quadrilat鑽e de Lambeth"  tamin'ny 1888.</description>
Ny finoana anglikana
		<description>Fotoam-pivavahana - Alahadin'ny Trinite 3 jiona 2012  - manomboka amin'ny 4 ora tolakandro</description>