Tantaran'ny fiangonana Anglikana
Fiangonana Anglikana Malagasy eto Paris
St George's Anglican Church
7, rue Auguste-Vacquerie
75116 Paris
Ny fanontaniana dia ny hoe: inona no maha Anglikana ahy ?
Voalohany indrindra angamaba dia ny nandovana ny finoan'ireo ray aman-dreny sy ny razambe tany aloha, ny fanarahana ny finoan'ny vady ( ankehitriny dia tsy ny lahy ihany no mitondra ny finoana ao an-tokantrano, fa maro ireo vehivavy mitarika ireo vadiny ho amin'ny finoana Anglikana )
tao koa nisy ireo mpianatra tao amin'ny kolejy Anglikana sy ireo mpivahiny ka voasariky ny finoana anglikana.
Raha fitinina ny toerana misy ny fiangonana Anglikana na Episkopaly atao hoe "Ecclesia Anglicana" dia fiangonana tetezana na elanelam-panahy, izany hoe hita taratra ao amin'ny finoana anglikana ny fomba amam-panaon'ny fiangonana Katolika ( universelle ) dia ny mikasika ny fombam-pivavahana, ny fitondram-piangonana misy ny ambaratonga sy ny fomba amam-panaon'ny fiangonana protestanta nentin'ny fanavaozana ( reformation ) dia ny maha zava-dehibe ny Soratra Masina sy ny fiorenan'ny finoana fa Andriamanitra irery ihany no Mpamonjy.
Ny finoana anglikana
Tamin’ny taonjato faha XV teo ho eo no nifampiditra ny fahefan’ny mpanjaka sy ny an'ny Eveka tany Angletera.
Nanana fahefana lehibe tao amin’ny fitondram-panjakana tokoa mantsy ireo Eveka tamin’izany fotoana izany, ary teo an-daniny dia nitsabaka tamin’ny fitondrana ny fiangonana koa ny mpanjaka. Ary tsy nitady hisaraka tamin'ny foiben’ny Fiangonana tany Roma ny Kristianina tany Angletera raha nipongatra ny Reformasiona tany amin’ny firenena maro tandrefana.
Nandritry ny fotoanan’ny Reformasiona dia nanohy sy nitazona hatrany izany fanavaozana lehibe izany ny Fiangonana Angletera, ary tamin’izany fotoana izany indrindra no nifanolana i Henri VIII sy ny Papa momban’ny fiainan'ny mpanjaka teo amin’ny lafin’ny fisarahana sy ny fanambadiana , ka niezaka i Henri VIII mba tsy hiankina instony amin’ny foiben'ny Katolika ny fiangonana tany Angletera.
Koa tafasaraka ny roa tonta nandritry ny taona 1529-1534, ary ny taona 1533 no taona nahamarika tanteraka ny fisarahana nisy tamin’ny Papa sy ny mpanjaka Henri VIII.
Na dia izany aza anefa dia mbola tsy nisy ny fahasamihafana ny foto-pinoana, fa ny fahefan’ny Papa ihany no nolavina.
Edouard VI ( zanany lahy naterany tamin’i Jane Seymour ) izay voasariky ny hevitry Lotera sy Calvin no nandimby an’i Henri VIII, Marie TUDOR no nandimby an’I Edouard VI, izay nanana ny tantarany koa, satria izy indray no namerina ny Fiangonana Angletera hanaraka ny fomba katolika Romanina, kanjo anefa tsy nahatohitra ny fandrosoan’ny reformasiona izy tao anatin’ny dimy taona nanjakany ary Elisabeth I ( zanany vavy naterany tamin’ni Anne Boleyn : 1558-1603 ) no nandimby an’i Marie Tudor, izay nanangana indrindra ny fiangonana tany angletera hahaleotena sy nanome azy ny endrinka manokana dia ny Fiangonana Anglikana misy ankehitriny.
Tamin’ny faran’ny taonjato faha XVI sy ny tapany voalohan'ny taonjatao faha XVII, dia teo an-dalam-piorenana ny fiangonana Angletera, ka tsy mbola voafaritra ny tena finoana marina nisy tamin’izany afa tsy ny amin’ireo Sakrameta zokiny dia ny :
- Batisa sy ny Kominiona Masina ( Eokaristia )
- Samy nekena ny fanambadiana, na tsy ny fanambadian’ny Mpitondra fiangonana.
Vokatr’izany no ilazana matetika fa mitana ny Via Media na ny elanelam-panahy ny fiangonan’ny Angletera izay nipoiran’ny finoana Anglikana.
Ka ny fiekem-pinoana fototra amin’ny fiangonana Anglikana dia ny 39 articles tany Angletera. Ny Prayer Book kosa dia tany amin’ireo firenena nielezany.
Ary ireto manaraka ireto no iombonanan’ny Fiangonana Anglikana eran-tany:
- Ny soratra Masina
- Ny Fiekem-pinoana tany Nisea
- Ny Sakrameta roa: Batisa sy ny Eokaristia, izay fanehoana ny fiainan’ny fiangonana ao amin’I Kristy.
- Ny filaharan’ny Masina telo: Eveka-Presbytera-Diakona.
Ireo no atao hoe " Quadrilatère de Lambeth" tamin'ny 1888.
Copyright (C) 2009 Anglikana. Tous droits réservés
Le site de la Communauté
Anglicane Malgache de Paris
Fotoam-pivavahana - Alahady Fotoam-pifadiana II 4 marsa 2012 - manomboka amin'ny 4 ora tolak'andro