7, rue Auguste Vacquerie – 75016 Paris
Ny andro Pentekosta
Alahady 19 mey 2013 - Asa 2;1-4

"Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra. Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany. Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin'izy rehetra isan-olona izany. Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy".

Concert spirituel
Concert spirituel

madagascar

madagascarAntsam-panahy FFKM-Frantsa 


Hitondrana am-bavaka an’i Madagasikara

LG_FFKM

Miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo !

 Noho ny fitsingerenan’ny fetim-pirenena malagasy dia mahafaly ny mpitondra sy ny kômitin’ny FFKM-Frantsa ny manasa antsika Malagasy mpiray firenena rehetra tsy an-kanavaka hanatrika ny Antsam-panahy hiarahan’ny antoko mpihira 3 tonta avy ao amin’ny FKMP- FPMA-FAMP  ho  fangataham-pitahiana ho an’ny tanindrazana.

Concert2906

 

Asabotsy 29 jona 2011, manomboka amin’ny 7 ora 30 hariva ao amin’ny

Paroisse du Saint-Esprit 

 186, avenue Daumesnil – 75012 Paris

( voir le plan ici )

Métro : Daumesnil ( Felix Eboué ) 

Ny Tonia
Rtoa Harisoa ANDRIANJANAHARY

 

 

Teny fanolorana,

Miarahaba sy mandray anao amin’ny anaran’ny Tompo ry havana tongasoa mitsidika ity tranokalan’ny Fiangonana Anglikana Malagasy eto Paris ity . Nohon’ny fahasoavan’Andriamanitra dia vita soa aman-tsara ny fanavaozana ity site web ity ho fanatsarana ny teo aloa izay ho entina hampandrosoana ny Fanjakan’Andriamanitra .

Ankehitriny dia sehatra iray tsy azo avela nohon’ny fandrosoan’ny teknolojia ny  Internet ary fitaovana iray azo hampiasana ihany koa eo aminy fampielezana ny Filazantsara. Koa dia mirary anao ry rahalahy sy anabavy tsy hakanavaka hahita ny  tsara indrindra  amin’izao fitsidihanao izao, na avy aiza ny finoanao na avy aiza dia  iray ihany isika Kristianina  eo anatrehan’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina izay persona Telo anefa Andriamnitra iray ihany.

Fa hoy Jesoa Kristy, «  Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa tsy amin’ny alalako  » Jaona 14,6.

Ho ao amintsika mandrakariva anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’i Jesoa Kristy.

AKON’NY KAONSERITRA EVANJELIKA – JIONA 2013

Antokom-pihiraTamin’ny fifaliana lehibe tokoa no nanotronan’ireo olona izay tonga nanatrika ny kaonseritra izay nikarakarain’ny antokom-pihira Anglikana Malagasy eto Paris  ka nanasan’izy ireo ny antokom-pihira ny Adventista Maranatha St Cloud sy ny Anglophone St Georges. Niavaka tamin’izany ny talenta nasehon’ireo 6 mianadahy nifandimby nanao solo tamin’ny feo manga.Ho hitanao ao amin’ny takelaka  Multimédia ireo sary sy videos vitsivitsy azo tamin’izany.

Voir les photos ici…

FITSIDIHAN’NY  EVEKA S.J RANARIVELO

Eveke_1Nahavory Kristianina Anglikana maro ny fitsidihan’ny Eveka Samoela Jaona RANARIVELO mivady teto Paris ka nahafeno ny fiangonana St Georges ny alahadin’ny Pentekosta izay fotoana nitarihany ny Komoniona Masina sy nanaovany ny toriteny. Marihana fa fotoam-pivavahana niarahana tamin’ny mpiangona Anglisy io andro ka karazam-pitenenana 3 samy hafa ( malagasy, anglisy, fantsay ) no nanatanterahana ny La Messe mariky ny andro nilatsahan’ny Fanahy Masina ka nampiteny fiteny samy hafa an’ireo olona nivory tao Jerosalema.

anglikana
anglikana
anglikana